prière

KRISTIANINA HOE?

Niainga tamina fanehoan-kevitry ny namana iray ny fanahiko androany. Rehefa tsy matory amin’ny alina iny koa moa dia lasa ihany ny fisainana…

chretien-priere-reuters

Etsy ange ianao. Mazoto milaza tena hoe kristianina, mivavaka, tia an’Andriamanitra…

Indreto àry fomba fiteny avy amin’ny vavan’olo milaza tena ho kristianina:

« Tara be Rahanona vao nanambady. Saika lany zara angamba! (Raha tovovavy moa dia hoe « misy olana mihitsy angamba izy iny matoa tsy tian’ny lehilahy) »

« Tara be Ramatoa vao miteraka »

« Raha ny razana no mitahy, ny kamboty no manana indrindra »

« Non à l’accueil des réfugiés syriens »

…mbola marobe tsy tambo isaina fa izao no avaliko:

1- Akorinao raha tara i X na Y vao manambady na miteraka? Inona no hidiranao amin’ny fiainany? Ianao angaha no namorona azy, na nanao ny programmation an’ny fiainany ka hoe misy deadline ny dingana eo amin’ny fiainany?

gallery-1486156899-engagement-valda

Valda no anarany, 106 taona izy no nanambady

Fa angaha moa tsy hoe « misy fotoany ny zava-drehetra »(Mpitoriteny 2.10), ary fantatr’Andriamanitra izay fandaharany ho an’ny olona mino azy.  » fa izaho manana fandaharana ho anao, dia fandaharana hitondra fiadanana fa tsy korontana » Jeremia 29.11

 

Kristianina tokoa ianao dia mazoto mandahatra ny fiainan’olo mihoatra noho ilay lazainao fa tompoinao e? Ry kely finoana, aza mandidy an’Andriamanitra!

2- Matetika milaza azy ho mpivavaka indrindra no mampisara-bazana amin’ny fomba fanao. Manao ambolony toy ny ganagana milon-drano!

Ny fomba fanao dia mampiray ny fianakaviana. Ny famonjena azy ireny dia misoroka zavatra maro toy ny inceste, ary manamafy ny fifankatiavana, mampiray hina. Anisan’ny fahatanterahan’ny hafatry Kristy izany. Ny Azy manko dia ny fitiavana no lehibe indrindra, io no nanova ny tontolo ary io no katsahintsika fatratra isan’andro mba hiadana. Ka aza omena tsiny re ny olona manaja ny fomban-drazana, tadidio fa « sambatra izay mampihavana fa izy no antsoina hoe zanak’Andriamanitra »(Md Matio 5.1-12)

bloch-sermononthemount_une.jpg

Kristy nilaza hoe « mifankatiava ianareo toy ny 

itiavako anareo » fa tsy nilaza hoe « miolonolona dia mifampitsikerà ». Famadihana, hasoavanjaza, ala volonjaza, fandokoana

fasana, fomba fanao amin’ny fahafatesana…ireny dia mariky ny fiaraha-monina. Ho antsika Malagasy, « velona iray trano, maty iray fasana ».

3- « Non, à l’accueil des réfugiés syriens » ( ohatra iray io fa maro ny endrika isehoan’ny fitiavana sadasada, miseho tia namana nefa kamo hanampy ny tena mila fanampiana)

child-refugees.jpg

Efa voalazan’i Jesoa tamin’ny androny izany. « Tiava ny fahavalonao, omeo hanina izy raha noana, omeo hosotroina raha mangetaheta » ( Md Lioka 6.35). « Ka ny eto aza efa sahirana koa ny any indray ve ampiana? » hoy ianareo?

Moa fantatrareo fa mijaly ange zareo any amin’ireo tany miady ireo! Ianao mahita hanin-kohanina isan’andro (na vary iray kapoaka aza efa isaory), ny any na zazakely aza tsy mahalala izany hoe fiadanana izany intsony. Koa aza maika ny handà avy hatrany, tsarovy hoe « kristianina » ianao ary mivavaka koa mahatsiarova koa ny hafa. Izay rahateo ny hafatry Kristy ilay fototry ny finoanao : « tiava ny namanao tahaka ny tenanao ».

Mbola maro hoy aho ny toetra « tsy mendrika amin’ny maha-kristianina » antsika milaza tena ho « mpivavaka, kristianina sy mpamonjy eglisy isan’alahady ». Koa ndeha aloha ifotory indray ny baiboly dia diniho manaraka izay voalaza ao ny fiainana fa manahirana be ilay miady hevitra amin’olo-tsy marim-pototra. Manantena lanitra dieny ety an-tany anefa he ty fomba fihevitra mihamilentika any ambany tany! Tandremo iky!

 

bDan618

Raha tena kristianina tokoa isika, efa paradisa eto amin’ity tany ity. Raha ny isan’ny fiangonana eto Madagasikara fotsiny no antenaina hoe maro ny manam-pinoana sy fitiavana, dia efa mandroso amin’ny lafiny rehetra i Gasikara

in eritreritra nisidina mandinika ny zava-nataon’olombelo

Ne perds pas courage

ange

Lorsqu’au réveil tu perds courage

Sous un fardeau trop pésant

Et que tu sens gronder l’orage

Pour prier, trouve un instant

Et si parfois ton pied chancelle

Sous un labeur accablant

Pour avoir un ardeur nouvelle

Sois en prière, un moment

Trouve un moment dès l’aurore

Un autre au milieu du jour

Et le soir un instant encore

Pour prier avec amour

Et tu pourras prier sans cesse

Sans efforts, tout simplement

Tu seras fort dans ta faiblesse

Et priant à tout moment

C. Rochedieu